Eo ambony ankalankeliko (Ny Sakelidalana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Te ho any aho mba hitsena anao nefa tsy afaka mankany
Tsy ho any Ivato fa ato an-trano ato no hamisavisa irery
Ny fahatongavanao

Satriko ny hahita anao anio dia anio
Taona maro isika tsy nifankahita fa nianatra ianao
Tany am-pitan-dranomasina

Ny havanao rehetra raha mahita ahy mankany
Hanome tsiny anao hoe fitia diso fiantefa
Ny lobako efa rovitra
Ny pataloha feno tampina
Ny kapa tapatapaka
Ny satroko maloto

Aleoko ihany mijanona eto, aza omena tsiny aho
Ny foko ho anao tsy rovitra akory toy ity lobako ity
Fa mbola feno fitia

Ho avy ianao, rehefa an-tanàna dia hoampiatranoiko.
Ao an-trano bongo no handraisako anao eo ambony ankalakeliko,
No hibanjinako anao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Sakelidalana
Visites : 4527
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 22/02/2017 14:49
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0627