Havaoziko (Rebeca & Ariane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela ihany izay niarahantsika izay,
Tsy mbola nisy na andro iray,
Hoe tsy nitiavako ianao malalako,
Fa babonao aho hatram’izao.
Ankehitriny tanteraka ny nofy nofihiniko hatr’izay:
‘Zaho sy ianao ho mandrakizay.

Averiko ilay teniko:
Tsy hanary anao aho
N’inon’inona hitranga,
Ary havaoziko ilay voadiko:
Hitia sy hanaja anao
Mandram-pialako eto an-tany.

Maro ireo nikasa
Hamotika ahy sy ianao,
Ny antsika anefa mafy orina,
Vavan’olo tsy atao hampiady e!
Fandeferana sy azafady e!
Tokantrano hanjakan’ny tambitamby,
Izay no tanjontsika roa e!
Ankehitriny tanteraka ny nofinofiko hatr’izay:
Izaho sy ianao mandrakizay.

Averiko ilay teniko:
Tsy hanary anao aho
N’inon’inona hitranga,
Ary havaoziko ilay voadiko:
Hitia sy hanaja anao
Mandram-pialako eto an-tany.

Averiko ilay teniko:
Hitia sy hanaja anao
Mandram-pialako eto an-tany.
Ato an-tany!
Ohouohouoh
Haaaaaa hoooo

Efa ela ihany izay
Niarahantsika izay
Tsy mbola nisy na andro iray…
Tsy nitiavako anao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rebeca & Ariane
Visites : 264
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : litarazavar
Date : 03/03/2025 09:10
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0968