Mahonena (Ramahafadrahona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ouh, mahonena an
raha izany no ho jerena !
Izany e : Ny fiainana eto an-tany an
Na ho aiza ianao e :
mandehana mora ihany a an !

Ny fiainam-boninkazo a an
Voatery mankaleo voalazo a an
Noho izany e ny fiainana eto an-tany a an !
Hay e : Mba mitandrema ihany a an !

Raha ny endrika sy bika an
Mandalo, dia mipika an
Ka rava e, raozy kely tsara jerena an
Ka ireny e mitoetra fahamboniana an

Ouh, mahonena an
raha izany no jerena !
Izany e : Ny fiainana eto an-tany an
Na ho aiza ianao e :
Mandehana mora ihany a an !

Raha tonga ny fotoana an
Izay handaozako ny tany a an
Fa eto e : Eto an-tany manam-petra an
Ka any e : any an-koatra tontosaina an

Ouh, mahonena an
raha izany no jerena !
Izany e : no fiainana eto an-tany an
Na ho aiza ianao e :
mandehana mora ihany a an !

Tsy hoela anefa indrisy a an
Dia hoavy indray ny lisy a an
Fa TIA e : Dia veloma hono indrisy a an
Fa ny solony e : Fa ny solony efa nisy a an

Ouh, mahonena an
raha izany no hojerena !
Izany e no fiainana eto an-tany an
Na ho aiza ianao e, mandehana mora ihany a an !
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ramahafadrahona
Visites : 87
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : Tanjaka
Date : 01/11/2024 06:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1017