T-ho any aminao (Raboussa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Androany ah ry Joba vao mahasoratra ho an’dry
Fa mbola taraiky aty an-tany lavitra aty.
M’sora, dia somary lasalasa vinany
Mahatsiaro anao ah dia ohatry ny maian an-tany
Dia nihezaka ah ny tsy hisatimaka fa tsy mety voafetra
Mampanembona ah...’zay itan’ny masoko rehetra rehetra
Mahatadidy, lay tanako ao amin'ny vatanao misafosafo.
’lay tsikinao tsisy mpanana iny, vidiko lafo.
Mahatsiaro anao ah dia otrany avy n’ kafoM
Mifandipatra ny lelako, tsy haiko ’azy kozy tononina
Dia za mino, fa any volana any taona
Ianao tsy alavitra intsony fa akaikiko eo foana foana
Fa androany enao lavitra nefa tsy misy azoko atao
Dia ny hirahira sisa no hitambarako aminao
Ra henonao ’ty dia asio fo m’tempo anakiray.
Dia tadidio fa mahatsiaro anao ’zay ’lay koff boay....

Ref:
tiany ho tsapanao ’lay teny kely teo.
zay f’izy anie tena tia anao
Te ho any aminao izy, Te ho any am’nao izy eh...

Ndray andro any ah ry jôba ho tonga eny am’ tanana
Dia haveriko ndray ’lay tsika roa mitambatra hafanana
’Lay teny roa revenao koziko avy ato am-poko
Amin’ lay fiakanjoko indraindray lazaina jiolahim-boto
Ny manodidina matetika manakiana
Tsy quoi zanyf a ny zavatra enjehina vao mainka ahazona fiany
Mba handinihany, fa tsika roa tsy afaka miady
Dia ny olana rehetra sedraina fa tsy hisaraka sahady
F’ianao anah, dia za natokana ho an’dry...
Roa sarotra sarahina fa fitia atakalo fitia
Raha henonao ’ty dia asio fo m’tempo anakiray.
Dia tadidio fa mahatsiaro ano ’zay lay kôfboay.

Ref:
tiany ho tsapanao ’lay teny kely teo.
zay f’izy anie tena tia anao
Te ho any aminao izy, Te ho any am’nao izy eh...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Raboussa
Vangy : 7965
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Raherizo
Daty : 07/01/2009 12:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.39