Nofy Ratsy (Petit Mot(Maslah))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raozy tokana ihany anie No any sisa navelako any
F'hianao handry dia hiadana e
Asa raha mbola hihaona ihany
Tapitra tsy ho tafara-dalana e
Lasa hianao, tsy ho namanay 'tsony
Ny mieritreritra an'zany anie
Mankarary ny fo tsy ho tony
Ref: Te mba hionona ihany aho
Ny saiko te handà te hikiry hoe sao mba
Nofy ratsy eny eny ihany
K'Te mba hifoha aho hijery anao
2- Dia niamaloka ny androko
Ny masoandro ary, nanary ahy
Banga mafy ny ahy ny ato ampoko
Reo sarinao mandoro fanahy
Tapitra tsy ho tafara-dalana e
Fa zay lasa, tsy miverina tsony
Ny mieritreritra anzany anie
Mankarary ny fo tsy ho tony
Ref 2x
Mpanoratra: Sylvano RAMANANDAFY
Tantara: nosintomina teny @ fiaraha-monina
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Petit Mot(Maslah)Visites : 12
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : PetitMot
Date : 21/05/2026 12:25
