Eto an-davarangantsika (Pauline Rabehasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny diavolana irery
No mahita ny alaheloko
Eto an-davarangantsika

Ny diavolana irery
No miombona alahelo
Amin'ny foko mangatsiaka

Ny diavolana irery
No mitsetra ny fanahiko
Eto anivom-pahanginana

Ka manolotra ny tarany
Sitrany ahay ho fiononana
Ho ahy diso fanambinana

Efa akaiky ny ririnina
Madio anefa ny habakabaka
Alina manganohano

Efa diva hanao veloma
Ka manala ny alahelony
Izato volam-pararano

Eto an-davarangantsika
Toa tsy tsaroako intsony
Ny fanala sy ny hatsiaka

Variana dia variana aho
Mitadidy antsika teto
Sy ny tafasirintsika

Takariva tahak'izao
Takarivan-diavolana
Saingy tamin'iny kosa

Voninkazo midoroboka
No nambomba antsika teto
Amin'ny felany miavosa

Ny diavolana irery
No mahita ny alaheloko
Eto an-davarangantsika



(Tononkalon'i Dox)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Pauline Rabehasy
Visites : 2300
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 28/05/2018 20:35
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111