VOLAZARA (OZA Jérôme)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Volazara (by MARIO974)

Kakazo mahitsy, fa tahon'akondro
zanak'olon-tsara fataoko enika
mpitaiza mamba, Ranokombe
tsy azoko niany eh, alaiko amaraiña

tavoahangin’ankizy
latsaka an-kara
alaiko tsy azo, avela tsy foy
manambady fôsa mañolotra ampango
salaza ho mafy eh
fodifodiana

Aomby milelabato
maty ny tany ahitra zalahy
salohin'akarabato
any arô aho vao tofoko ô !.

Solo gitara

Fa ny tamby avy
tsy anatin'ôrimbato
mariazy forcé tsy teña fitiavaña
aleoko edy eh tsy hanambady
tsy tiako hijaly hitomany

Añarambiavy Ivolazara
viavy tsara tsy mety very anjara
titezañambo, ranokabe
tsy azôko niany eh, halaiko hamaraiña

Kalalao matin-dronono ô !
mafy matin-draha-tiaña zalahy
tsy mariva nidaosin-draño
Leka tsy maty, mbola hitraotro ô!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : OZA Jérôme
Visites : 6503
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : MARIO974
Date : 17/11/2009 09:09
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0264