Lehibe ny Finoako (Ny Avo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Azoko antoka loatra , azoko antoka tsara
Ilay Andriamanitry ny fiandohana sy fiafarana
Izy nahary ahy sy nahatoy izao anao
Fitiavana mandrakizay no nitiavany ahy nitiavany anao

Ilay namafa ny ranomasoko , nahita vahaolana ho ahy e!
Tiako ka tsy hatakaloko ny Andriamanitro tsara fanahy e!
Ilay mpanao ny tsara sy mpamindra fo
Fitiavana mandrakizay nitiavany anao nitiavany ahy koa

Zaho matoky Azy ho mandrakizay doria
Ny Anarany ihany no antsoiko
Hitoetra ato am-poko lehibe ny finoako

Azoko antoka loatra , azoko antoka tsara
Ilay Andriamanitry ny fiandohana sy fiafarana
Izy tsy mandao ahy , tsy mba manary anao
Fitiavana mandrakizay no nitiavany anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Avo
Visites : 6638
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : RojoNyAvo
Date : 02/08/2016 13:05
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3353