Lalaina (Ny Arosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mionona ka mba hatreo ny ho avinao
F'izy anie nilaza fa tsy tia
Mionona fa raha iray no nandao
Mbola be ny tia ka matokia

Mionona ka mba jereo ny ho avinao
F'izy anie nilaza fa tsy tia
Mionona fa raha iray no nandao
Mbola be ny tia ka matokia

Ny azy ho vita tsy ho azon-tsampona
Ny anao ve dia tomany no hameno ny alina ?

Ndehana ry Lalaina hatreo ny ho avinao
Aza misaina intsony izay mety ho neninao
Ndehana k'aza mierikerika intsony
Ny lasa no hinoy fa tsy hiverina intsony

Mionona ka mba hampangino ny ao am-po
Ampy izay ny sentosentonao
Mizora fa ireo alahelonao
Mbola hisava eny an-dalana

Ny azy ho vita tsy ho azon-tsampona
Ny anao ve dia tomany no hameno ny alina ?

Ndehana ry Lalaina hatreo ny ho avinao
Aza misaina intsony izay mety ho neninao
Ndehana k'aza mierikerika intsony
Ny lasa no hinoy fa tsy hiverina hitoy

Ndehana ry Lalaina hatreo ny ho avinao
Aza misaina intsony izay mety ho neninao
Ndehana k'aza mierikerika intsony
Ny lasa no hinoy fa tsy hiverina hitoy
Ny lasa no hinoy fa tsy hiverina hitoy
Ny lasa no hinoy fa tsy hiverina hitoy
By Myster
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Arosy
Visites : 531
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : myster
Date : 18/12/2022 07:20
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074