Tandremo (NY ANTSAFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Firifiry taona izay,no efa nandrenesanao
Miseho lany etsy sy eroa, ireo karazam baovao
Manambara ady sy loza, herisetra tsy hay lazaina
Ny fasahiranana miavosa, maro ireo velon taraina
Fa ianao tsy isan’ireny, satria ianao mpandray anjara
Andriamanitra mijery, ka tandremo ianao sao tara

3-Fa ireo manan katao, miandrandra amin’ny harena
Dia mihevi-tena ianao, fa tsy ho solafaka tsy ho lena
Dia mihebo tsy hianjera, fa misy vola hanohana azy
Ka tsy matahotra tsy menatra, milomano amin’ny ratsy
Tsarovy anefa Andriamanitra, Izy tsy mijery miakatra
Fa mandinika anao Izy e !mitsinjo ireo madinika

3-K’aza ny lohasaha mangina, no araraotinao tsy ho hita
Hanaovanao izay rehetra tiana, ‘reo adalana sy habibiana
Fa ho avy ny fotoana, ho tonga ny andron’ny hampamoaka
Ho tratra ianao fa tsy afa-miala
aiza ianao no andeha hitsoaka !!
Fa raha mbola misy ny ora, ahazonao mifona
Manatona moramora, mandoaliha dia mivavaha
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NY ANTSAFIA
Visites : 1283
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : NYANTSAFIA
Date : 18/11/2017 09:14
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1375