Hifikitra Aminao (NY ANTSAFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatrizay, eny hatramin’izao
Nanaiky aho ny hanaradia ANAO
Na mafy aza ireo fitsapana hiainako ety
Vonona aho ; hatreto ka hatrary

Mavesatra ireo efa nentiko
Indraindray aloha mila tsy ho zakako
Tsy ho kivy, tsy ho ketraka aho anefa sanatria
Raha IANAO no mitantana ny dia

Fiverenana:
Arovy aho, tsy ho latsaka
hifikitra Aminao
Tohano re, ‘ty foko tsy hiondrika na hitalaho
Fa manantena ANAO aho andry hiankinako
sy ho tokin’ny Fanahiko ANDRIAMANITRO

Mavesatra ireo efa nentiko
Indraindray aloha mila tsy ho zakako
Tsy ho kivy, tsy ho ketraka aho anefa sanatria
Raha IANAO no mitantana ny dia


Fiverenana:
Arovy aho, tsy ho latsaka
hifikitra Aminao
Tohano re, ‘ty foko tsy hiondrika na hitalaho
Fa manantena ANAO aho andry hiankinako
sy ho tokin’ny Fanahiko ANDRIAMANITRO (Malalako)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NY ANTSAFIA
Visites : 1417
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : NYANTSAFIA
Date : 18/11/2017 08:49
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712