Ho doria (Nix'Tah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1 (Tinah) :

Tato an-tsaiko androany ilay hira iray,
Niarahantsika roa
Toa nanembona androany ilay,
Voadintsika roa,
Hoe tiako ianao, Ho doria
Ny hisaraka, dia sanatria
Holazaiko izao,
Fa tiako ianao

Ref :

Holazaiko androany ilay fitia
Hoe tokana ny ato am-po
Ho tiaviko ianao, eny ho doria
Satria tiko ianao
Malalako tsy foiko, malalako tsy ariako
Satri tiako ianao, hatr@ iny katr@ zao

couplet 2 (Tix) :

Tiko holazainaina aky'lay fitia
Fa za nge ka love , love @ ndry
Ny foko pitempo tsy misy otrizany
Refa eo anilanao de tsy reko ny tany
Lazaiko androany tsy ampihambahambana
Fa lasanao irery tsy haiko ho zaraina
Ilay foko babo midoboka mafy
Ra sendra alahelo za vonona ny iafy
Ho eo anilanao fona ra sendra tomany
Reo adisoko , adinoy any 'zany
'Lay foko tsy miova fa vonona hitia
na de be ny mpampiady de ndry matokia
Fa na netsika roa natao ho doria
Ka na iza tsy faly de avy makaty
Za mino tokoa fa netsika hitotra
Ka refa tapitra ny aina de izay no mametra...


Couplet 2 (Naly) :
Na misy aza ny ady indraindray,
Natao hitondrana @ soa
Na diso aza aho indraindray,
Toa navelanao ny heloko,
Misaotra anao nanome fitia,
Misaotra anao, satri ho doria
Holazaiko izao, Fa tiako ianao

Ref :

Holazaiko androany ilay fitia
Hoe tokana ny ato am-po
Ho tiaviko ianao, eny ho doria
Satria tiko ianao
Malalako tsy foiko, malalako tsy ariako
Satri tiako ianao, hatr@ iny katr@ zao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Nix'Tah
Visites : 2390
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : heritiana2016
Date : 02/01/2017 11:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856