Mbola tiany (New Life in Christ Gospel (NLC))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamindra fo aminao Izy
miezaka hatrany hanao izay mahafaly anao.
Mikafiry Izy manome izay ampy ho anao
Nanolorany ny Ainy satria tsy foiny ianao.

porofo-pitiavana lehibe ny fitahiany
Jesosy Hanome aina vao
Famonjena no nataony azo antoka
mmmmm...

Ref : Mbola tiany ianao
mbola tiany ianao (koa mitrakA)
mbola tiany ianao
ka aza manahy !
MBOLA TIANY IANAO ...

Mamindra fo aminao Izy
satria tsy tiany ho very, ianao izay nofidiany
nadatsaka ny rany Izy ho famelan-keloka
niharitra ny jaly, ho ahy sy ho anao

Fotoana izao ho anao, ibebahana e
tsy ho laviny mihitsy ianao, raha manatona
Famonjena no nataony azo antoka
ouhhh...

Ref : Mbola tiany ianao
mbola tiany ianao (koa mitrakA)
mbola tiany ianao
ka aza manahy !
MBOLA TIANY IANAO ...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : New Life in Christ Gospel (NLC)
Visites : 5335
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : MimRami
Date : 29/11/2016 10:02
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076