Miandry ny andro (Ndrina Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Injay ety an'habakabaka
Fa manetoka ny foko
Vao nandao anao malalako
Ka ny tontolo miova loko

Rahom-potsy mitambolona
Lanitra manga mitatao
No isidinan'ity vorona
Mitondra ahy lavitra anao

Veloma, malahelo ny fandaozana
Lavitra anao

Nosy maro anivon-drano
Toa manakora anay ety ambony
Tsy mba tsapany fa androany
Ny foko tsy mba mety ho tony

Dia io lay tanànako eny
Tazako efa miandry ahy
Ny saiko sisa no manjehy
Andro hihaonantsika indray

Veloma, malahelo ny fandaozana
Lavitra anao.


R_N 2013
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ndrina Zopanage
Visites : 2553
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 11/09/2016 12:39
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118