Hiverina (Nate Tex)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na tsy ho eo intsony aza ianao, dia tiako ho fantatrao fa ianao dia tiako
Ny hitoetra eo anilanao no masaka ao andoha, mba faniriako
Ny adiady sangisangy, ny hafaliana sy tomany
Tsisy afoizako anao zany
Ndraindray aho toa manontany
Tena hoe ahoana ihany?
Hoe raha tsisy ianao io zany?

Tsy ny vatanao io ihany
Fa ny fitiavanao io koa
No nahatonga ahy hiverina
Mifona aho, aminy fo
Tsy andao ny ankany
Ilay fonenantsika roa
Tena diso aho, mamela ahy tsy ataoko anindroa

Nefa efa nakipiko ny masoko
Nahodiko ny lohako
Anefa, mbola ianao ihany no ato andoha
Notapenako ny sofiko
Niniko tsy nohenoina ireo kanefa ilay feonao mitraotra avy ao am-po

Ny adiady sangisangy, ny hafaliana sy tomany
Tsisy afoizako anao zany
Ndraindray aho toa manontany
Tena hoe ahoana ihany
Hoe dia izao vé no niafarany?
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Nate Tex
Visites : 5371
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : henitsoa21
Date : 06/04/2019 15:19
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718