Isaky ny (...Toy ilay voalohany foana) (Nanie)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaky ny mijery anao, dia toy ilay voalohany foana
Isaky ny eo anilanao eo no midy ahy
Dia toy ny mbola tsy teo mihitsy

Isaky ny miresaka aminao, mandre 'lay feonao milanto
Dia mangovitra sy mangoritsina ary
Midobodoboka be ny fo...ko

IANAO, ENY IANAO, BABONAO RE NY FOKO
LASANAO MANONTOLO, ARY MBOLA HO ANAO

Isaky ny tsy eo anilanao, na dia hoe iray minitra monja
Dia toy ny zato taona no miandry anao ho tonga
Satry foana ho eo akaikinao

Isaky ny mikipy maso aho, dia ny salovan'endrikao
No tsy mety miala ao an-dohako ao
Ka manaloka tsy mety mia...to

IANAO, ENY IANAO, BABONAO RE NY FOKO
LASANAO MANONTOLO, ARY MBOLA HO ANAO

(Ouh...)

Oh-oh-oh- oh... Oh oh oh oh oh

IA...NAO, ENY IANAO, BABONAO RE NY FOKO
LASANAO MANONTOLO, ARY MBOLA HO ANAO

IA...NAO, ENY IANAO, BABONAO RE NY FOKO
LASANAO MANONTOLO, ARY MBOLA HO ANAO
--------
Lien:
Commentaires
hery ( 04/08/2025 11:07)
Mbola tsy henoko mihitsy. Mitady feony fa tsy mahita 😲
toukrth ( 12/08/2025 07:52)
Hira noforonin'i Tpk Rado Rakotorahalahy. Tena tsy misy mihitsy sur le net. Tsy haiko ny antony. Fa za manana
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Nanie
Visites : 300
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : toukrth
Date : 04/08/2025 09:38
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0109