Fa hiverina indray (Nanah & Stan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raha mba fantatrao, ny fahoriany
Ny fijaliany, raha nandao ianao
Zatra miaraka toy ny fahiny
Nefa ankehitriny, tafasaraka

Refrain :
Mba lazao, ambarao
Ampio aho, raha mbola misy azonao atao
Te ho sambatra aho, fa hiverina indray
Eto anilako ianao toy ilay fanaontsika hatramin'izay
Te ho sambatra aho, eo anilanao

2- Malomalon-tava ny androm-piainany
Satria manoran-dava ny fanantenany
Zatra miaraka toy ny fahiny
Nefa ankehitriny, tafasaraka

Refrain :
Mba lazao, ambarao
Ampio aho, raha mbola misy azonao atao
Te ho sambatra aho fa hiverina indray
Eto anilako ianao toy ilay fanaontsika hatramin'izay
Te ho sambatra aho fa eo anilanao

Bridge :
Ianao no hany masoandrony
Ka raha tsy eo ianao
Dia ho irery izaho
Ka raha tsy eo...
Raha toa ka tsy eo ianao...

Refrain:
Mba lazao, ambarao
Ampio aho, raha mbola misy azonao atao
Te ho sambatra aho fa eo anilanao
Eto anilako ianao toy ilay fanaontsika hatramin'izay
Te ho sambatra aho fa eo anilanao
Mba lazao, ambarao
Ampio aho, raha mbola misy azonao atao
Te ho sambatra aho fa hiverina indray
Eto anilako ianao toy ilay fanaontsika hatramin'izay
Te ho sambatra aho fa eo anilanao
--------
Lien:
Commentaires
hagamamytahiana2023 ( 29/07/2025 11:54)
Salama daholo e 😊 Sao dia mba misy manana MP3 na "clip" an'ilay hira "Fa hiverina indray" ve ianareo ? Raha misy MP3 na "clip" dia mba alefaso aty
hery ( 29/07/2025 16:47)
Misy live nataondry zareo ato
https://www.facebook.com/watch/?v=2996432540637148
hagamamytahiana2023 ( 29/07/2025 17:30)
Hay efa hitako ity fa ilay "clip" sy ilay tena hira no henoko.
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Nanah & Stan
Visites : 164
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : hagamamytahiana2023
Date : 29/07/2025 10:49
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0227