Ahy irery (Myrana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga izao ilay ora andaozako anao malala o
Ka aza omena tsiny aho fa ny foko midobodoka
Mandroatra mangotraka tsy tana fa hila hitsoaka
Ranomasoko miraraka, mikoriana tsy tana te hanaraka
Anao aho, ahy ianao malala o

Dia veloma e, tongava soa e, soava dia raha hanidina any ianao
Dia veloma e, tongava soa e, soava dia raha hanidina any ianao
Izaho te handre
Foko tia, mankafy

Mivoha ny foko mbola hitempo anao
Ny ao anatiko ao miandry anao
Ianao ilay tokako, ilay tiako
Nandalo ny tomany, sedra rehetra nampifamaly
Dia na lavitra anao ary ne aho dia tsy hampiova izany
Fa fitiavana feno no iandrasako anao
Amin'ny fo tsy miova hatramin'izao
Fa mbola manantena fihaonana tsy ho ela
Mbola amerenana ireo fotoana mamy taloha
Ka omeko anao mba hotsaroanao ireny rehetra ireny
Fa manina anao, toa mila anao
Te ho any aminao, te hofihininao, te hofihininao

Dia veloma e, tongava soa e, soava dia raha hanidina any ianao

Nandalo ny tomany, sedra rehetra nampifamaly
Dia na lavitra anao ary ne aho dia tsy hampiova izany
Fa fitiavana feno no iandrasako anao
Amin'ny fo tsy miova hatramin'izao
Fa mbola manantena fihaonana tsy ho ela
Mbola amerenana ireo fotoana mamy taloha
Ka omeko anao mba hotsaroanao ireny rehetra ireny
Fa manina anao, toa mila anao
Te ho any aminao, te hofihininao
Fa manina anao, toa mila anao
Te ho any aminao, te hofihininao, dia hofihininao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Myrana
Visites : 1555
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ajarjump00
Date : 15/10/2019 18:32
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.099