LEHIBE SY MAHATALANJONA (145ème FJKM Mangamila) (MIRAY FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ny androm-piainanay ry Jesosy ô
dia atokanay hiderana anao;
noho ireo soa izay natolotrao,
ho anay mpanomponao.

2. Na dia sarotra izany làlana,
vonona hatrany izahay izao;
tsy ho kivy na ho ketraka;
fiarovanay Ianao.

3. Lehibe tokoa ny asanao Jesoa,
tsy mba takatry ny fisainanay;
izay rehetra sitrakao tokoa;
dia tanteraka sy to.

REFRAIN: lehibe sy mahatalanjona ny asanao,
Tompo ô Andriamanitra tsitoha,
mahitsy sy marina ny làlanao;
mendrika hankalazaina IANAO JESOA.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : MIRAY FIDERANA
Visites : 1722
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : fitiavana17
Date : 29/10/2017 14:00
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726