AZA LAVINA (MIORA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza lavinao Ilay fitiavana mipetraka
Mandalo anaty foko ao
Aza lavinao
Ho anao no namoronako azy izao
Aza lavinao
F’efa fantatro fa ao am-ponao ao
Ilay fitiavana
Aza lavinao
Fa ndrao mbola ho anenenanao
Fo madio no hanolorako,
Ilay sarobidy indrindra ho ahy
Fa tia anie aho, tia anao aho ,
Tia anao mandrakizay anie aho
Mbola ho avy aho ,ho eo anilanao
Hanaporofo ny fitiavako anao
Ka ny diampeninao
No eo imasoko eoraha sendra
Mahatsiaro te hahita anao aho
Ka ny diampeninao
No afaka hampitony ny tomany
Indrindra moa ilay sarinao
Toa mijery ahy foana
Rehefa tojo fiainan-tsarotra aho
Indrindra moa ilay sarinao
Napetrako eo an-doha fandrinako eo
Fo madio no hanolorako,
Ilay sarobidy indrindra ho ahy
Fa tia anie aho, tia anao aho ,
Tia anao mandrakizay anie aho
Mbola ho avy aho ,ho eo anilanao
Hanaporofo ny fitiavako anao
tonony:MIORA
feony:MIORA
--------
Lien: