Dera, laza (Mi.A.Z.A.)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dera, Laza, Hery, Haja
No entinay misaotra anao
Noho izao andro manan_danja
Taona zina eto aminay
Voninahitra avo indrindra
Asetrinay ny asaNAO
Taranaka izay nifandimby
Indray hanefa ireo adidy

Fiv.: Finoana, Fanantenana ary koa fitiavana
Izay toko telo nahamasaka
Ka nampifoha ny ambom_po
Finoana, Fanantenana ary koa fitiavana
Nahafahana namita ilay manda sarobidy indrindra

Saotra, Hafaliana hatrany
Antefanay Aminao
Tompo ô! mba mitalao
Jereo ireo taranaka ao
Mbola kely tsy ampy hery
Tsy afaka mandeha irery
Ka miandry ny fanahinao
Hitari_dalana anay

Fiv.: Finoana, Fanantenana ary koa Fitiavana......(2fois)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mi.A.Z.A.
Visites : 1183
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Fengyi
Date : 20/05/2016 21:02
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719