Glopopopy (Mi Dera)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako halaza amin'ny Tanàna ho hainao
Ny fandihy manafana ho anao
Fandihy atao amin'izay mety e
Rehefa mamonjy fety

Ny ambanivolo mandihy daholo
Ny lava volo mandihy daholo
Ny jiolahimboto, tonga dia mi toto
Na madio lamba enao na malotoloto

Izay maheno dia mandihy
Ny vazonay mampandihy
Glopopopy

Sambatra ny malagasy
Manana ny mampiavaka azy
Dia ilay fandihy Glopopopy
Tsika rehetra efa kopy

Izay maheno dia mandihy
Mpisotro toaka mandihy
Mpifoka moly mandihy
Na mpanao bol mandihy
Izay maheno dia mandihy
Mpanasa lamba mandihy
Mpiasa tany mandihy
Mpiandry bus mandihy
Izay maheno dia mandihy
Monsieur tale aza mandihy
Hatram'ny alika aza mandihy
Avy daholo izay handihy

Izay maheno dia mandihy
Ny vazonay mampandihy

Glopopopy
Ah ah ...K'aiza
Tsika rehetra, tsika rehetra io ry bapampaa

Mihosom-bovoka
Marina 'zany tsika rehetra io
Bapampa

Izay maheno dia mandihy
Ny vazonay mampandihy
Glopopopy
Tsisy miala eo tsisy miala eo
Marina zany marina 'zany
Glopopopy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mi Dera
Visites : 2665
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 20/08/2019 11:06
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823