Toy ny diera (Ma.Mi.Kri )

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra o, ny fanahiko mangetaheta anao
Toy ny diera 'zay maniry hisotro rano velona.

Mba rahoviana no hiseho eo anatrehanao ny mpanomponao?
Fa ranomaso no fiahiko andro aman'alina.

Aza miondrika ry fanahiko, atsaharo ny toloko
Manantena ny Andriamanitrao, matokia fa hidera Azy ihany ianao.
JEHOVAH handidy ho anao ny indrafony
Ka hanafaka anao, ry olony.
Hanao fihirana sy vavaka ny foko
Ho an'Andriamanitra Mpamonjiko
Toy ny diera 'zay maniry hisotro rano velona.

Ry famonjena ny tavako, Ianao no Andriamanitro.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ma.Mi.Kri
Visites : 2264
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : FyR..
Date : 29/08/2016 22:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726