SAMY NAMAKO (LUCIA (NDONDOLAH))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy sahiko lazaina,
Tsy sahiko tantaraina,
Fa samy namako daholo
Izy sy ianao.

Izaho tsy te ho ratsy ary,
Izaho tsy te ho ratsy aty,
Sarotra izany
Fa samy namako.

Raha vao ratsiratsy saina,
Hifanojo eny ihany.
Mifidifidy tava e!
Mbola hihaona indray andro any,
Boribory anie ny tany.

Samy tiako,
Samy namako,
Samy niaraka eny ihany isika,
Samy nitantara izay nanjo.
Samy nifanampy o!
Samy nifamonjy,
Raha izaho aloha,
Dia samy ts'isy hafa
Fa namako.

Raha mba miaraka eny isika,
Raha misy kely mifanditra,
Izaho tsy te hampiady e!
Fa samy namako.

Misy foana anie izany,
Fa tsika nifanaraka ihany,
Nisy kely mety ho diso,
Fa tsy hoe marina hatrany.

Raha vao ratsiratsy saina,
Hifanojo eny ihany.
Mifidifidy tava e!
Mbola hihaona indray andro any,
Boribory anie ny tany.

Samy tiako,
Samy namako,
Samy niaraka eny ihany isika,
Samy nitantara izay nanjo.
Samy nifanampy o!
Samy nifamonjy,
Raha izaho aloha,
Dia samy ts'isy hafa
Fa namako.

Samy tiako,
Samy namako,
Samy niaraka eny ihany isika,
Samy nitantara izay nanjo.
Samy nifanampy o!
Samy nifamonjy,
Raha izaho aloha,
Dia samy ts'isy hafa
Fa namako.

A/C: NDONDOLAH
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : LUCIA (NDONDOLAH)
Visites : 417
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : litarazavar
Date : 28/07/2023 08:29
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752