Androm-pamonjena (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anio, anio ny androm-pamonjena
Resy, Resy ny fahafatesana

(Bass)Tonga anio ny famonjena
Tonga anio ny famonjena antsika
Tapitra hatreo ny herin'ny fanahy ratsy
Fa resy ny fahafatesana

(Duo) Ande isika hioby ny hosana
Fa velona sy mahery ny Tompo
(Duo) Venteso mafy ary ny fihobiana
Hanakoako maneran-tany
(Bass) Haleluia velona ny Tompo
Hiakatra am-boninahitra Izy
Ho ankavanan'ilay Ray

Jesosy nanetry tena ho faty
Noho ny otanao ry olona ô
Fa tiany ianao mba ho toa azy
Handresy ny fahafatesana
Ny fahavalonao dia ho resy avokoa
Raha mino ianao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Visites : 1503
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : daryprod
Date : 27/07/2016 14:22
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747