Aiza ho aiza ? (ft Gangstabab) (Kristel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ho aiza ?
Ireo fikasako teny ho eny
Ireo saika lasa mankeny
Ny fanantenako voafetra
Ho lasa fa tsy afaka ny handeha
Very hevitra

Manontany tena aho indraindraiy
Hanohy ho any amin’izay làlana izay
Toa tsy mety fay
Nefa avy eo mangahiahy
Mandeha toa tsy tara
Lasa tsy voarara
Noheverina fa ho tara
Kay tonga ihany
Fa tany afara

Fa nahoana kosa no dia mitaraina
No dia marary saina
Fa nahoana kosa
No tsy mba mahita ny làlan-kombany
Nefa mba te ho any
Fa nahoana kosa no tsy mahita hoe aiza no hitaraina
Rahoviana vao mba hiaina
Rahoviana vao ho ilaina
Aiza ho aiza ?

M’revy dia mandrevy
Ho aiza ? raha tsy ho etsy
Mankany dia manketsy
Lasa any dia nankany
Dia lasa vinany
Dia lasa mivinany
Dia lasa mivoana any
Dia lasa mivinany

Tsarainy toa marary manana aina
Tenenina toa lasa tsy olombelona
Tsy hay intsony na ho velona
Na ho faty ihany
Na ho faty any
Na ho faty ihany
Na ho faty any

Aiza ho aiza ?

Aiza ho aiza no hiafarako fa mba teto ihany aho
Nefa toa lany vola fotsiny
Aiza ho aiza fa point mort zah
Sady tsy mandroso no tsy mihemotra
Ny fiainako toa tsisy mangirana
Toa maizina am-pototry ny mazava
Ny fiainako toa tsisy mangirana
Toa noana am-pototry ny sompitra
Ny fiainako toa tsisy mangirana
Toa tsy mety mandroso fa misy sakana
Aiza ho aiza fa tsisy mangirana
Toa mangetaheta ambony lakana
Very amin’ny fiainana aho toa mirenireny foana
Ohatry ny alika very tompo
Very amin’ny fiainana aho toa very hevitra
Ohatry ny tanala very sampy
Very amin’ny fiainana aho toa tsy mahahinam-bary
Nefa misotro ranon’ampango
Aiza ho aiza fa very fanahy mbola velona
Ohatry ny valala voatango
Ny tanjoko toa ambony maso tsy hita
Ohatry ny tapi-kandrina malamalama
Ny tanjoko toa ambany maso tsy hita
Ohatry ny vatan’oron’ny karana
Fa zah tsy mety tonga amin’izay tanjona iriako
Fa mitsipozipozy sady tsotsofina
Aiza ho aiza fa tsy mety tonga amin’ny tanjona iriako
Fa akaiky itodihana toa ravin-tsofina
Zah toa lany andro, very fotoana
Ohatry ny sola manao sori-bilana
Dia taraiky fa tailan-doha manao sori-bilana
Mampivilana ny efa mivilana
Dia zah lasa biriky maty rirany
Efa naman’ny bongan-tany
Dia tapaka segment zah, vata-patin’i Soavina
Ka veloma ry tany

Aiza ho aiza ?

Ny fikasako teny ho eny
Ny saiko lasa mankeny
Ny fanantenako voafetra
Ho lasa fa tsy afaka ny handeha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kristel
Vangy : 2370
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/06/2016 00:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0845