O malala (Kiaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O malala, henoy anie ny resaka lazaiko anao
Ianao ve mbola tsy mino ahy foana
O malala, aza tezitra intsony
Fa tsy tantiko mijery anao
Izy anie tsinontsinoko akory

Efa nomeko anao
Hahatokisanao ahy
Ny tsara rehetra tamiko
Hatrizay niarahantsika

O malala mihaino ahy ve ianao ?
Izaho tsy nahalala,
Na hoe hahatezitra anao
O malala mba jereo aho
Fa vizana aho
Raha hiavonanao

O malala, henoy ange
Izaho tsy mbola namitaka anao
Lazao zay ao antsainao ao
O malala, fomba ahoana indray
No ilazako aminao
Izaho anie nanaja anao hatrany

Efa nomeko anao
Hahatokisanao ahy
Ny tsara rehetra tamiko
Hatrizay niarahantsika

O malala mihaino ahy ve ianao ?
Izaho tsy nahalala
Na hoe hahatezitra anao
O malala mba jereo aho
Fa vizana aho
Raha hiavonanao
Miangavy anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Kiaka
Visites : 6477
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 20/05/2016 21:15
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112