tantara iray (Kiady Andria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa nangatsiaka aho androany
Manembona ny lasa anilanao
Fotoana fohy no niarahantsika
Nefa hasambarana ny nahita anao nitsiky

Miaraka mirava alin-dalina
Ny orana efa niandry antsika
Ny zakaranda koa falifaly
Mahita ahy hihaona aminao indray

Mbola tsiaro ao anatiko ao
Ny manodidina toa misy kely anao

Tsy hitazona ny alahelo
Fa manembonembona kely
Tsy misy ny nenina
Fa maniry ny hihaino ilay feo
Anorana indray ny andro
Fa ianao, tsy eo intsony

Tantara tsotra tsy ho adino
Arahim-baratra sy rahona
Andro feno fitiavana
Izay tsy ho voazarako aminao intsony

Mbola tsiaro ao anatiko ao
Ny manodidina toa misy kely anao

Tsy hitazona ny alahelo
Fa manembonembona kely
Tsy misy ny nenina
Fa maniry ny hihaino ilay feo
Anorana indray ny andro
Fa ianao, tsy eo intsony

Mbola tsiaro ao anatiko ao
Ny manodidina toa misy kely anao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Kiady Andria
Visites : 85
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : KiadyAndria
Date : 09/03/2026 17:46
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0259