Anaranay (Khalil)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy iray ra
Tsy iray reny
Fa mihirahira eny ampirenirenena
Tsy iray rà
Tsy voatery firenena
Sendra nifanena
Lasa mifameno
Lasa moramora izay mety natahorana
Maina, manorana
Mamy ny atanorana
Anaty olana
Anaty oraka
Toa tsy ankolaka
Toa tsy ankihomana
Fa toa metimety, mety ho azy eny
Brother, you know what I am saying
Be ny tora-po fa tsy sahy miteny
Sister, Let me say something
Matsiaro misy mieno
Be ny banga fa matsiaro feno
Za matsiaro feno
Manana ny ampy aho
Manana namana
Inona no mahaory
Inona no mahaory
Manana ny ampy aho
Manana namana
Inona no mahaory
Inona no mahaory
Fa vola ve
Tsy mahaleo
Izahay mahalaina isaraka eh
Fa vola ve
Tsy mahaleo
Izahay mahalaina isaraka eh
Tsisy ankoatranay eto antany
Ka omeo lalana eh
Izao rehetra izao oronantsary
Amin'ny anaranay
Ho tantaraiko anao
Izahay ihany no mpilalao
Izao rehetra izao oronantsary
Amin'ny anaranay
Tsy iray firazanana
Amin'ny mamany aho zanany
Amin'ny dadany aho zandry kely mahavoa anaty rap
Tsy fifaninanana, tsy fifanarahana
Raha misy tonga ambonimbony ny ambony mclap
Miara-mifarimbona fa tsy mingonongonona
Izay mamatambonona no naman-olonkafa
Mirary mba ho tafa
Fa tsy mifanozona
Na izany aza tsy miozona
Tsy hoe namela
Na tsy hita elaela
Tany manelanelana
Tsy manan'elatra
Amin'ny fiverenako
Mbola manantena tanana mivelatra
Tsy hiteny aho hoe lahatra
Fa voninahitra ho ahy sy ho anao
Fa mana-namana aho manana anao
Manana ny ampy aho
Manana namana
Inona no mahaory
Inona no mahaory
Manana ny ampy aho
Manana namana
Inona no mahaory
Inona no mahaory
Fa vola ve
Tsy mahaleo
Izahay mahalaina isaraka eh
Fa vola ve
Tsy mahaleo
Izahay mahalaina isaraka eh
Tsisy ankoatranay eto antany
Ka omeo lalana eh
Izao rehetra izao oronantsary
Amin'ny anaranay
Ho tantaraiko anao
Izahay ihany no mpilalao
Izao rehetra izao oronantsary
Amin'ny anaranay
Tsisy ankoatranay eto antany
Ka omeo lalana eh
Izao rehetra izao oronantsary
Amin'ny anaranay
Ho tantaraiko anao
Izahay ihany no mpilalao
Izao rehetra izao oronantsary
Amin'ny anaranay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Khalil
Vangy : 525
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : dardos7m
Daty : 21/06/2022 17:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725