Ampidiro aloha ny tenimiafina
Hono hoy aho ry voromailala (Jeannette (Mme))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny hoy aho ry voromailalaIzay nitady hielatra any
hifandaovan'ny fitiavanao malala
Fa tsy soa sitra-pary
Toa fiainana, toa fiainana lavitr'omaly
Injany no heno, injany anareo izy izany
Ny bikany maizina kely
Tsy fantarareo velively
Fa toa paradisan'anjely
Hikifiran'ny vetson-tantely
Oh, Oh
Eny hoy aho ry voromailala
Izay nitady hielatra any
Hifandaovan'ny fitiavanao malala
Fa tsy soa sitra-pary
Toa fiainana, toa fiainana lavitr'omaly
Injany no heno, injany anareo izy izany
(x2)
Ny alok'ilay fahoriana
Vao mainka hitsiditsidihana
Tsy hialan'izay fanahiana
Satria eo anilan'ny tiana ô
Ny vorona, ny vorona ihany
Ny foko dia mba torak'izany
Miha-fohy, mihay fa iombonan-tany
Tsy miala, tsy hiala indray eto ihany
Tonony : Rosa Beby
Compositeur : Andrianary Ratianarivo
Colombe – N°12
--------
Lien:
Commentaires
Kotsur
(
24/05/2026 02:24)
Sarotra koa ity iray ity toy ilay Rotsirotsy nalefako teto. Miala tsiny ary mangataka ny fanintsiana tonpoko. Misaotra e.
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Jeannette (Mme)Visites : 13
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Kotsur
Date : 24/05/2026 02:22
