Zanako (Jaspy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tapa-kevitra ny handao ahy ianao
Ny ho alehanao tsy fantatro
Indro handeha izao, handao 'ty Rainao
Faly tamin'ilay lovasoa

Nataoko ihany ny hitàna
'Ndrisy fa tsy resy lahatra ianao
Zaza mafy loha, atao ahoana moa
Hiainga no efa masaka ao an-doha !

REF :
Sombiniaiko, tena ilaiko, ka handrasako isanandro
Eo ambony lavarangana eo
Dia mitazana mankany
Sao ianao mba tamy ihany
Ilay zanako lasa nandeha

Zanako, zanako, zanako, modia ianao
Zanako, zanako, zanako, modia ianao

-----

Ho antsika 'zay te ho zanany
Aza dia variana eto an-tany
Satria Ilay Ray, 'zay Mpamorona
Sarobidy ho Azy izaho sy ianao

Fantatro ny fahasambarana eto
Fa mandalo sady feno sento
Antsoy hoe vonjeo, Izy no jereo
Ny any an-danitra mandrakizay

REF :
Sombiniaiko... (x2)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jaspy
Visites : 143
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Ariniaina11
Date : 29/05/2024 07:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0853