Zandrinay (Jahsil x Joudah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa Tefatsofinin'i Leveny ndrah nialany atrano
Histoire nitranga tao Tsararano, tamin'ny valo maraina
Alohany handeha hibôsy zandrikely nirahin'ny Leveny hividy sigara
Look-good kely  zandry e , famerimbola isao tsara
De nihazakazaka zandry fa sao fa tara ke
Tonga tamin'ny épicerie koa mbola filaharambe
Mavozo tara ke , ka tsisy fika de ,
Prof physique andreo amin'io le raiky masiaka bé
Vao tonga atrano ty sigara anao Papa fa zaho fa tara,
De tiky fameri-mbola , de compteo tsara
Calmôs tseky zandry e , ay anao ma adala
Famerimbola amenao anakay ty tsy ampy gala
Ataovy sérieux ma Papa ay , ampy tsara iny bokagny
Calme , zao dia izao neinty aho dia handeha  himpody amin'ilay dokany
Zandry tiky  fa nipanique, nangovitra nitomany
Hainy tsara mako zaka hahazo anazy mipody bôkagny

Ref:
Tao Tsararano, tantara tena nisy io fa tsy angano
Nidodomin'ny polisy oa zandrinay
Vaovao ratsy amin'ny TV maraindray


Tsy hita môny tiky, zandrikely fa nipanique,
Leveny tazany bokany , ilay raiky fa tsy mitsiky
Mifona Zaho Papa, tena very mony nao teo
Zaho zandry tsy te hahalala ay, môny nakay to omeo
Raikitra walawala vory jiaby fiaraha-monina
Vao maraina koa ry zareo efa korotani'ny demony
Mbola kely karah io anao efa miseho ho fetsifetsy
Manaraka ny opa ratsy, ny tefatsofy misesisesy
Nilefa zandry tiky , direction nazy à l'école
Amin'ny sivy izy vao tonga anefa reo amin'io contrôle
Ramose ty vao nahita anazy tonga de fômôly
Fa Tara indray ianao a , zaho tsy handefitra itsony
Jereo ny pôzinao ohatra ny zaza mpandrongony
Mitondra Ray amandreny ianao amin'ny semaine ambony mazava
Izy vao saika hanazava Tonga de nodarohany
Nakatonany mafy ny trano,lasa izy narary ny fony

Ref:

Yawa , mba kobonareo moa ,
Tsy nitondra Ray amandreny izy fa nibongo élément
Tanàna feno mabôto karah événement
Hamaranana an'ny prof tiky efa masaka ny plan
Ramose amin'io mbola tsy tonga saina, mbola tsy au courant
Nivory ny ganjaman jiaby teo amin'ny kartie
Vao niboaka ingahy mpampianatra efa raikitra ny melé
Voatsatoka méso, Voatota biriky, fiaraha-monina nipanique,tonga dia niatso flic
Nilefa ledala koa efa kobony hoe efa  mamay
Lelameso amin'ny tanany,Izay mitady hisakana ambanany
Tsy hitany itsony ny tany handehanany,
Efa niparitaka ny namany,izy raiky tavela, polisy reo koa tsy namela
Nambanana, nitifidanitra  fa ledala tsy nijanona
Izy mitodika, polisy afarany ndreki alohany
Izy hamoaka méso iny voatifitra amin'ny lohany 😭😥, ya voatifitra amin'ny lohany 😭

Ref :

Zandrinakah,
Efa tsy namanay itsony oa zandrinay😭
Lasa fahavalon'ny fiaraha-monina oa zandrinay 😭
Loso fa lasa nody any zandrinay 😭
Zandry iny ni-dead , e

Écrit par : Tsy Kivy R (RANDRIANANTENAINA Jean Séraphin)
Joudah x Jahsil - Zandrinay (tantara tena nisy)
Kartie Mahajanga/Tsararano
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Jahsil x Joudah
Visites : 471
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Kabuto
Date : 17/06/2025 20:20
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0177