Drogue (Jacquis Randria feat. Tsiry)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa lasa nofinofy lesy hoy aho ilay faniriana,
Hoe iny sipa iny mihitsy hoy aho ilay olon-tiana,
Nefa ny ao an-tsaina no mafy fa ny fo tsy manaiky,
Raha ny tiany dia ianao mihitsy ilay ho andefimandriny.

Tsa mety manaiky angaha ny fony te mba hisisika ho anao,
Atao ahoana ihany ‘ty fitiavana ‘ty toa mamay,
Lazaina fa drogue izy ‘ty, mampitapy, mahalasa adala,
Kanefa mbola tsy hainy hoe iza ihany ilay malalany
Ilay niriany anefa tsy ho azo, ho azo.

Tiako ho tazonina eto ihany
Ireo fotoana mamy raha toa nifampizarana,
Ho eto aho, mba lazao ho ahy hoe ahoana no hitiavako anao,
Ho mety ihany ireo fotoana mamy raha toa haverina indray,
Ho ento aho hanoroako anao.

Nitavandra fitiavana teo ange izy nefa aiza?!
Hoe lehilahy hono ny tena ka tsy ho resim-pitiavana ‘zany e! e!
Raha tsy efa voany aloha dia tsy mahatsapa fa hoe izy marary,
Ialahy miseho hoe mafy io mihitsy am’izao no tomany.

Tsa mety manaiky angaha ny fony te mba hisisika ho anao,
Atao ahoana ihany ‘ty fitiavana ‘ty toa mamay,
Lazaina fa drogue izy ‘ty, mampitapy, mahalasa adala,
Kanefa mbola tsy hainy hoe iza ihany ilay olo malalany
Ilay niriany anefa tsy ho ahy, tsy ho ahy.

Tiako ho tazonina eto ihany
Ireo fotoana mamy raha toa nifampizarana,
Ho eto aho, mba lazao ho ahy hoe ahoana no hitiavako anao,
Ho mety ihany ireo fotoana mamy raha toa haverina indray,
Ho ento aho hanoroako anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jacquis Randria feat. Tsiry
Vangy : 293
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : litarazavar
Daty : 03/03/2025 09:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1241