Tano aho Jeso (Ilay Sitrako)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Impiry impiry moa Jesosy ô!
No naniriako hahafaly Anao e,
Nefa izao Ianao dia vaky fo,
Ranomaso, sento lalina.

Impiry impiry koa Jesosy ô!
No naniriako hanao ny tsara e,
Fa solafaka eny foana,
Manko motraka, malemy.

Tano aho Jeso fa tsy mahatana Anao,
Tano aho Jeso fa tiako Ianao,
Tano aho Jeso ka fihino ho Anao,
Fa malama anie ny lalako.

Omeo ahy anio Jesosy ô !
Ny fahamasinanao rehetra e,
Ka ho resy ny ota anatiko;
Ny fahadiovanao no mamiko.

Omeo ho ahy anio Jesosy ô!
Ny herinao tsy misy fetra e
Hiazonako ny tananao,
Hamikirako ny sandrinao.

Indrisy olo-mahantra aho,
Tsy misy hanafaka ahy raha tsy Ianao;
Endrey Jeso ny fitiavanao
Fa tsy hisy haharombaka ny am-pelatananao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ilay Sitrako
Visites : 1816
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Onesimus
Date : 18/02/2019 10:53
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763