ALA-NENINA (HIRA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nampoiziko ho ianao
No nilaza fa leo ka andao ahy
Ireo izay vita teo aloha
Dia tsy maintsy hoafoina tokoa
Raha milaza ny andeha ianao
Inona moa no azoko atao
Izany teniko rehetra izany
Eny ny ahy ala-nenina ihany

Izay rehetra vita ve
Dia ho adinoina toy izay
Zava-tsy nety iray monja ve
No hifandaozana ho mandrakizay

Lazaiko anao fa tiako ianao
Ka aoka izany ho fantatrao
Lazaiko anao fa tsy foiko ianao
Ka tanako raha azo atao
Dia ho sahinao tokoa ve
Ny minia mikimpy sy tsy mandre
Izany fitiavako anao izany
Eny ny ahy ala-nenina ihany.


Tonony sy feony : R. RACHEL
--------
Lien:
Commentaires
herizoradiniaina ( 08/12/2022 08:20)
Salama daholo! Sao mba misy afaka manome an'ilay hira version mp3 azafady indrindra o! Ity ny mail ko herizoradiniaina@gmail.com!
Misaotra mialoha!
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : HIRA
Visites : 5548
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : DERATOX
Date : 25/05/2007 07:29
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121