Tsy tanako mihitsy (Hery-Tiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy antso mangina any anatiko any
Miritsoka mora te hiteny avy hatrany hoe,
Mila anao hono ity fo efa noana
Mitady mafy anao foana

Tsy tanako mihitsy , hambara ho ren-tany
Tsy hihemotra intsony, lazaiko androany
Iriko mantsy, iriko tokoa
Angamba tsy ho diso fa raikitra am-po
Manosika afara ilay hery, herim-pitiavana anao

Nanonofy izay aho omaly alina
Namihina anao , dia ianao namaly hoe:
Sitrako erÿ ny an-tratranao
Nahatsiaro sambatra izany aho
Dia hatreo ihany fa lafatra be...

Tsy tanako mihitsy , hambara ho ren-tany
Tsy hihemotra intsony, lazaiko androany
Iriko mantsy, iriko tokoa
Angamba tsy ho diso fa raikitra am-po
Manosika afara ilay hery, herim-pitiavana anao


Tonony sy feony : Hery-Tiana
--------
Lien:
Commentaires
alextafitasoa077 ( 05/11/2017 15:59)
tena makasitraka e!...tena ankafizko b mts io vazo io (y)
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hery-Tiana
Visites : 1715
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 05/11/2017 09:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735