Mbola ao? (Hanta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MBOLA AO

Mbola ao sa nifindra fonenana ianao?
Aiza ho aiza ny foko no misy ny anao?
Tsindrimandriko omaly niara-dia izaho sy ianao
N’aiza na’aiza tanteraka raha sitrakao.

Malama maina ny tany
Ka mba mahaiza ihany
Sao solafaka hatrany
Izany havako izany.

Mbola ao tsy nifindra fonenana izaho
Anilanao eo ny foko hatramin’izao.
Tsindrimandrinao tanteraka izao
Fa tafaray isika satria sitrakao.

Malama maina ny tany
Ka mba mahaiza ihany
Sao solafaka hatrany
Izany havako izany.

Paroles : Vonihantamalala RAMPARANY & Jean MARLINE
Musique : Jean MARLINE
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hanta
Visites : 2770
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par :
Date : 29/11/2002 12:18
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747