Velon'ny Fanahy (GROUPE VONONA HO AN'I KRISTY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
    
Hatrizay hatrizay tsy nahatsiaro Anao
Nanadino tsy nety nino ny Anaranao
Nanara-tsitrapo tsy tonga saina
F'izay nafafy anie no ho jinjaina

Ny olatry ny lasa zary nandatsa
Indrisy lamba maloto tsy hary nisasa eee
Misaotra anao nanoro 'lay sampanana
Ianao Jesoa no hany lalana

Ny ditra izay natao ee!! nafeniko
Sy ny adalana ee!! nanenenako
Ataoko nofy ratsy ny lasako taloha
Ny hanaraka Anao 'zao no masaka an-doha

Ampy izay, ampy izay ny efa vita
Ataoko any ivoho iniako tsy hita
Ny miverin-dalana...ô sanatria
Hanaraka Anao aho Jesoa be fitia

Ny ditra izay natao ee!! nafeniko
Sy ny adalana ee!! nanenenako
Ataoko nofy ratsy ny lasako taloha
Ny hanaraka Anao 'zao no masaka an-doha

Fa ny miaraka Aminao ee "tsy mba sasatra"
Ny eo anilanao eee "tena lafatra"
F'izay voafidinao tsy manana ahiahy
Ny olonao e "VELON'NY FANAHY

Groupe vonona ho an’i Kristy "VELON'NY FANAHY"
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GROUPE VONONA HO AN'I KRISTY
Visites : 193
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mharck
Date : 18/09/2025 07:16
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.069