NY VAVAKA MAMPITRAKA (Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra ô henoy 'zao vavako izao
Mba miangavy mitalaho raha azo atao
Ankiniko Aminao ny fiainako 'zay diaviko ety
Ianao no antenaiko hitantana ny dia
Fa sarotra amiko ny miaina tsisy Anao
Mangeja ahy 'reo adin-tsaina mankalao
Tsy ho kivy anefa fa matoky Anao ry Ray
Fa Anao 'zahay ho mandrakizay

Miantso Anao 'zahay Tompo ô, raha sitrakao
Ny heloka efa vita hatrizay mba avelao
Raha tojo sarotra an-dalana,
Raha toa ka sendra adim-panahy
Hijoro izahay ka tsy hanahy

Ireo lalana 'zay efa nodiaviko hatrizao
Dia fantatro fa fitsapana avy Aminao
Ka na dia sarotra sy mafy aza, ekeko holanjaina
Fa Ianao manana lalana hiheverana ahy
Ankehitriny aho dia feno tahotra
Mba te handeha ihany aho fa saingy miahotra
Handroso ihany anefa noho ny Anaranao Tompo ô
'Zay Toky sy Hery tena hifaharako

Miantso Anao 'zahay Tompo ô, raha sitrakao
Ny heloka efa vita hatrizay mba avelao
Raha tojo sarotra an-dalana,
Raha toa ka sendra adim-panahy
Hijoro izahay ka tsy hanahy

Hiezaka hampitraka ireo 'zay mitanondrika izahay
Koa tafio 'Lay Herin'ny Fitiavanao

Miantso Anao 'zahay Tompo ô, raha sitrakao
Ny heloka efa vita hatrizay mba avelao
Raha tojo sarotra an-dalana,
Raha toa ka sendra adim-panahy
Hijoro izahay ka tsy hanahy

Miantso Anao 'zahay Tompo ô, raha sitrakao
Ny heloka efa vita hatrizay mba avelao
Raha tojo sarotra an-dalana,
Raha toa ka sendra adim-panahy
Hijoro izahay ka tsy hanahy

Ho tretrika ny fiainanay (Hijoro izahay ka tsy hanahy)
Ho tretrika ny fiainanay (Hijoro izahay ka tsy hanahy)

Sambatra izahay manana Anao ry Ray
--------
Lien:
Commentaires
ikalamako ( 04/07/2018 22:14)
@tahrina, azafady fa mba tsetsatsetsa tsy aritra kely ity ho amin'ny manaraka : tsy dia tsara loatra ilay manoratra amin'ny sora-baventy raha eto amin'ny aterineto. Sady mankarary maso be mamaky ilay izy indrindra raha hanaraka tononkira amin'ny finday ianareo rehefa mihira.
ikalamako ( 04/07/2018 23:23)
Misaotra fa avy dia novainao, mankasitraka o
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA
Visites : 1801
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tahrina
Date : 04/07/2018 22:09
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713