Asabotsy sa Alahady (Groupe Daniela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hono ho aho ramose azafady...
Mivavaka Asabotsy moa ianareo sa Alahady?
Tena miala tsiny aho manontany azy ity
Fa iza amin-dry zareo no ho voavonjy

Raha ny am'zay indray aloha angamba
Tsy fotoana ifanenjehana izao na ifampitsarana
Hovonjena izay maharitra hatramin'ny farany
Tsy mifidy andro Asabotsy io na Alahady

Ref:
Marina izany tazony tsara ny famonjena
Na hivavaka Asabotsy na Alahady ianareo tsy terana
Izay manaratsy ny hafa eo ihany no tsarain'ny tantara
Ataovy izay hampandroso ny fiangonanao dia mipetraha tsara

Hono ho aho ramose mba hazavao..
Misy karazany firy izao Jesosy izao?
Mamonjy amin'ny andro Asabotsy ve sa Alahady?
Ka aiza amin'ireo andro ireo no ahitako azy?

Tsotra ny valin'izay hiaraha-malala
Tsy mila hijerana andro tsy hisalasalana
Mpamonjy tokana ihany dia "Jesosy"
Amin'ny andro hiantsoana azy dia eo izy

Ref:

Hono ho aho fanontaniana farany..
Mahavonjy ve ireny fiangonana ireny sy ny anarany?
Toa mahafinaritra mandresy lahatra ery
Na anaram-piangonana gasy io na vahiny

Tsara ny fanontanianao tena tsara
Ny fiangonana izay misy anao aloha aza hialàna
Fa na dia izay no famonjena tazonina mafy
Na Asabotsy na Alahady hanao anao inona izany?

Ref: x2
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Groupe Daniela
Visites : 4183
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Arsih
Date : 02/08/2015 08:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731