Avotra (Filah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Malabary rovidrovitra tsy misy tanany
Izay no fananany
Pataloha feno tampina misy goaka be
Feno lokona kofehy
Izay no fananan'ny tary e
Ho any amin'ilay Mozambika
Nikaro-pananana tany izy e
Fa mbola tsy nahita fika a.

Solomaso efa vaky niampy collier
Izay no mba nentiny tany e
Any amin'ilay faritr'i Zimbabwe
Any lavitra any e.
Avotra ihany ny tary e,
Satria efa mpiasan'ny sambo ô.
Manana jean maro izy e
Sy kiraro travolta

Ny sary nalefany ho an'ny akama
Dia sary izay nigagana
Fa sary miloko sy tsara tarehy
Satria efa sivily izy e
Avotra ihany ny tary e
Satria efa mpiasan'ny port ô.
Manana moto cross izy e
Sy fiara 305 a.


Malabary rovidrovitra tsy misy tanany
Izay no fananany
Pataloha feno tampina misy goaka be
Feno lokona kofehy
Izay no fananan'ny tary e
Hitety an'ilay Zamerika
Nikaro-pananana tany izy e
Ka lasa mahitahita.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Filah
Visites : 739
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 12/02/2022 20:07
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109