Ny antson'ny Tompo (Fehizoron'i Ziona (FZ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny antson’ny Tompo ao am-poko
Dia tsy idifiako
Na inona zavatra tiako sy ankamamiako
Ny ratsy izay no tompoiko
Ilaozako sady afoiko
Satria ilay Mpamonjy tia
No miantso hoe: “Avia”
Zay mikasa hamilivily ho very fotoana
Zay manohitohitra ny antso
Dia aim-bery foana
Satria efa momba hatrany
Lay Tompon’ny hery tsy lany
Mitàna ny toky nomeny sy efa nekeny
$ Sambatra re ‘zay mandre
Zany feo sarobidy Sambatra koa ‘zay manoa
Ka mamita, mamita ny adidy
Fa roso hatrany ny dia
Ny hihemotra dia sanatria
Jesoa efa eo anoloana Miantso, mitaona D$ DC

Ny antson’ny Tompo ao am-poko
Dia tsy idifiako
Na inona zavatra tiako sy ankamamiako
Ny ratsy izay no tompoiko Ilaozako sady afoiko
Satria ilay Mpamonjy tia
No miantso hoe: “Avia” Zay mikasa hamilivily
Ho very fotoana Zay manohitohitra ny antso
Dia aim-bery foana
Satria efa momba hatrany
Lay Tompon’ny hery tsy lany
Mitàna ny toky nomeny sy efa nekeny
Atolotro Azy anio ny foko madio
Ho setrin’izany antso izany
Inty aho fa tamy
--------
Lien:
Commentaires
hobisoaandromalala ( 09/09/2019 09:58)
Salama eh..sao mba misy manana version audio an'ity hira ity ato
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Fehizoron'i Ziona (FZ)
Visites : 1508
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : pusseauboy
Date : 11/04/2017 17:20
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073