Maty ilay masoandro (Erick Manana & Anna Tanvir)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
- Maty ilay masoandro -Maty ilay masoandro
Eo andrefana eo
Maloka ny andro
Nefa he jereo !
Nefa he jereo
Fa tsy misy sary
Tsara toy izao
Vita Nanahary
Ifalionao
Loko sesehena
No mitambatra eo
Tara-bolamena
Manazava ireo
Matroka ny tany
eo anilany
Nefa manga ihany
Ka mba tadidio
Vorona mandalo
No miara-peo
Faly sy mikalo
Sy mihira re
Sy mihira re
Rivotra malemy
No mitsoka ao
Gina tsy miteny
Izao tontolo izao
O ry masoanadro mody
O masina koa
Sambatra izay mody
Mahavela soa
Ho entinay matory
Izany taratrao
Izy no hitory
Ny hasoavanao
A / C : Samuel RAHAMEFY
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Erick Manana & Anna TanvirVisites : 1045
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tanjaka
Date : 13/03/2025 15:55
