orana (elatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
lasanao, lasanao
ilay foko kely anatiko ao mba mila anao
mba raiso ary ilay afo mirehitra anatiko ao
efa ela ihany no niarahana
efa ela no nifankafatarana
ka ho porofoiko anatin mozika
ilay fitiavantsika
fa ianao irery no nambabo ahy
ianao ihany no mpitantana ahy
ho antsoiko hoe anjely
indray andro hitrotro ilay zazakely
na ny alina mangina, ny tsikinao no ataoko
hirahira, ilay feonao manala fahoriana
sanatria ra ho adino    

ref x2: ra orana milatsaka
ra rahona manjombona
ianao ilay masoandro
manazava manafana ny tontoloko

Nifanaraka eny foana
tsy iza fa ianao ihany
ianao ihany no andaniako fotoana
ianao ihany no mazaka maniraka ahy.

Fa ianao irery ihany no mambabo ahy,
ianao ihany no mitantana ahy
ho antsoiko oe anjely
indray andro hitrotrotro ilay zazakely

Ref: x2
--------
Lien:
Commentaires
Samline ( 15/09/2025 15:03)
miarahaba tompoko , mba mangataka fankasitrahana avy aminareo mpandrindra ity tonokira ity fa hira anisany nanamarika sy tena be mpankafy aty fianarantsoa izy io
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : elatra
Visites : 249
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Samline
Date : 15/09/2025 15:01
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0686