Aza avela irery (Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zanahary aza avelanao irery
Izahay sao dia solafaka
Ka hivily hiala amin’ny lalanao
Ahitsio ny lalanay hankany aminao

(Fa impiry izahay)
(Nefa hatramin’izay)
(Tsy tanterakay)
(Fa ny omaly ihany)
F’impiry izahay no nilaza fa hiova
Hatramin’izay ka hatramin’izao
Tsy tanterakay izany
Fa ny omaly ihany no mbola androany

Mba andraso Ray ny fiovanay
F’izahay rehetra izao te hoany aminao
Satria izahay mbola zanakao
Aminao no mody izahay mandrakizay

(Fa efa nilaza ianao)
(Fa izay tsy mankato)
(Sy tsy manaraka)
(Dia hiamparan’ny)

Nilaza ianao nampitandrina anay
Ireo izay tsy Mankato anao
Tsy manaraka ireo didinao
Hiaparan’ny fahatezeranao

Mifona Ray fa hiova izahay
Hanao izay rehetra sitrakao
Hivavaka, hibebaka
Fa tsy ho zakanay ny fahatezeranao

A/C: EPALA Lovasoa Huberto Fortunat
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa
Visites : 807
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hubertoepala
Date : 23/03/2019 22:04
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736