Araraoty ny anionao (Betia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Idraindray ianao be fanontaniana
Miahiahy izay mety ho ampitso
Fa hiaino aloha ny androany
Satria tsy hiverina intsony
Izay lalovanao, dia fiainana avokoa

Na mamy na mangidy, mandalo ihany izany
Fa sambatra iana, mbola mahatsiaro tena
Araraoty ny andronao anio
Fa tsy hainao izay ho avoakan'ny ampitso
Androany ianao mety mitsiky,
Ny ampitso koa tsy ho fantatrao
Fa tiany ianao mba hankafy
Ny anionao,
Na dia tsy hainao izay tiany atao

Indraindray tokoa toa tsy hay intsony
Toa tsara avy eo, toa ratsy indray
Fa raha mety ianao,
Izay tsara aloha hifantohana
Avelao izay manakana anao, tsy ho faly

Na mamy na mangidy, mandalo ihany izany
Fa sambatra iana, mbola mahatsiaro tena
Araraoty ny andronao anio
Fa tsy ho hainao izay ho avoakan'ny ampitso
Androany ianao mety mitsiky,
Ny ampitso koa tsy ho fantatrao
Fa tiany ianao mba hankafy
Ny anionao,
Na dia tsy hainao izay tiany atao

Hitafio Jesoa Kristy
Miareta amin'ny fisaorana
Mianara miaina am-pifaliana
Tsy irery ianao
Fa tsara anie ianao
Sarobidy anie, ny FISIANAO

Araraoty ny andronao anio
Fa tsy hainao izay ho avoakan'ny ampitso
Androany ianao mety mitsiky,
Ny ampitso koa tsy ho fantatrao
Fa tiany ianao mba hankafy
Ny anionao,
Na dia tsy hainao izay tiany atao
....
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Betia
Visites : 20
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ManitraBJ
Date : 03/04/2026 10:19
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0382