Sempotra (Barry Benson Ft. Maman'i Tsôlôlô)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
By Rom-ka Obama Fortunez✍️♪ ♩ Instru ♬ Gordon
Aiza anao Benson
𓊈BARRY BENSON𓊉
Andriandray aho andrindreny, mba ho andradraina.
Mitaraina ny tany ozizy ry Andry Andraina.
Tsy voatery mpanarivo vao tokony ho hajajaina.
Hazo mahia tsy filelaka, fa tsy tokony ho kapaina.
Mandreraka ny adidy, ny vola sy ny famiratana.
Manempotra ny ankiletika, ilaina ny fisandratana.
Havako raha misy patsa, mila voky aloha y vatana.
NIjery kintana tam'le takariva amorom-patana
Amin'ilay "Getho youth" mila mitraka, fa tsy nateraka ho babo oh.
Ilay fivelarantsaina, aza voafehin'lah am'bandeau....
Samy mba te hameno an'le pyramide an'i Maslow.
Tsisy ata parata, mahery andro karaha Rambo.
Tsy miasa ho an'ny famiratany olo-kafa.
Ny olon-kafa mintsy no tiako hahitany nofiko
Ilay hanompo lalandava anefa aloha tsy tafa,
Fa na tsy voky aza aho dia foiko ny anjara mofoko.
Ref: 𓊈MAMAN'I TSOLOLO𓊉
Eh ka anefa te handroso mijoboka
Mitady fa mampanahirana ah
Tanimbary fa maro votototra ah
Mailamailaka sady sahirana eh
Mihetsiketsika fa miovotrovotra ah
Jereo zey voadian'ny tongotra eh
✄┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈
Sempotro oh
Oy eee
Sempotr'aho eh
Oy baba
Sempotro oh
Odidï
Sempotr'aho eh
Odidï
Sempotro oh
Odidï
Sempotr'aho eh
𓊈BARRY BENSON𓊉
Otrany hoe mitovy fona na tsy manao na manao.
Ilay fankahalana, aza zaraina amin'ny namanao.
Zarao tsiky, ny eny an-dalana, lla fandrosoana iaraha manao.
Na d'efa nahazaoany 4*4 ny ampahafolony karamanao,
Manempotra ny vahiny mandondona am-bavahady
Romazava ampy olona maro fa tsy voatery hoe steak salady
Andefitra foana zany isika, na mba te ho glady.
Zay mba sazy kely tam'le ianao ningitrika sekoly alahady.
Bobaka ny Mino fa maro no tsy matoky
Be mpaka tahaka, olombelona sa bloky ?
Tsy hoe tsy tehivelatra fa ilay systeme mintsy no bloque.
Dia lasa maro mamaky vera, fa vitsy ny mamaky boky.
Mila cardio ny kil, sempotrin'ny onjam-pianana sy ny fitompany
Dia ilay fanalahidy, tsy i Dah'mama ihany no tompony
Ka raha to he mahery Fo tsapao aloha ny fitempony.
Mivatsy akanjo mafana fa mangatsiaka ny eny an-tampony.
Vangoy MAMAN'I TSOLOLO
Ref: 𓊈MAMAN'I TSOLOLO𓊉
Eh ka anefa te handroso mijoboka
Mitady fa mampanahirana ah
Tanimbary fa maro votototra ah
Mailamailaka sady sahirana ah
Mihetsiketsika fa miovotrovotra ah
Jereo zey voadian'ny tongotra eh
✄┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈┈
Sempotro oh
Oy eee
Sempotr'aho eh
Oy baba
Sempotro oh
Odidï
Sempotr'aho eh
Odidï
Sempotro oh
Odidï
Sempotr'aho eh
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Barry Benson Ft. Maman'i TsôlôlôVisites : 15
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Romka
Date : 26/02/2026 22:11
