Akany tiana (Barijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N’aiza tany hitodina n’aiza toera-kilasiana
Iarivo, Iarivo ihany no fodiana tena mamy
N’aiza toera-mahamanina manaitra raha tazanina
Iarivo, Iarivo, Iarivo tiana no Edena hankamamiana

N’inon’inona harena toa manintona ny tena
Iarivo, Iarivo ihany no manaitra ny vinany
Fa Iarivo ilay Iarivo
No mitolona ka tsiahivo

N’aiza tany hitodina n’aiza toeran-kilasiana
Iarivo, Iarivo, Iarivo tiana no Edena hankamamiana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Barijaona
Visites : 5458
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par :
Date : 30/08/2002 14:05
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117