Ray ô (&Ayn'S feat Rappeur Fhm)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain: Ray ô! Misaotra anao zahay
Fa lehibe tokoa ny famindram-ponao
Na dia naditra aza aho
Dia tsy mba narinao
Fa vomay nodiovinao sy noraisinao
Ka lasa olom-baovao
Couplet 1:
Yeh , Tompo ô , rainay zanahary eh
Misaotra anao fa na naditra aza aho , dia enao tsy mba nanary eh
Fa niaiky sy nifona tamin'ireo heloka izay vitako
Teo anatrehanao , ka namindranao fo
Ny andro tokom-piainako rehetra efa natokako
Hiderana sy hankalazana anao
Satria ireo fiainako rehetra dia avy aminao
Refrain:
Ray ô! Misaotra anao zahay
Fa lehibe tokoa ny famindram-ponao
Na dia naditra aza izahay
Dia tsy mba narinao
Fa vomay nodiovinao sy noraisinao
Ka lasa olom-baovao
Couplet 2:
Ianao ilay efa nandefa , ilay zanakao tokana
Mba hanatanteraka ilay fanavotana
Nefa indrisy wa Ray , mbola misy indraindray
Ireo olombelona modi minia, tsy mahay
Fa ny fahalebiazanao no mbola mahatoizao anay
Misaotra mankalaza midera anao zahay
Fa enao tokoa ilay Ray mpiaro sady mpihay
Ka mangataka izahay, ny firenenay mba tahio
Ireo vahoaka mila anao rehetra rehetra
Miangavy mba vangio
Ry tompo tsara , raha mbola ianao no miasa
Tsy hisy hasakana eto zay miandrandra ny fanatrehanao mivantana
Mba henoy sy valio ireo vavaka mba hasandratray
Ho anao ry Ray
Raha sitrakao , mba handovay ilay fiainana mandrakizay
Refrain ×2:
Ray ô! Misaotra anao zahay
Fa lehibe tokoa ny famindram-ponao
Na dia naditra aza izahay
Dia tsy mba narinao
Fa vomay nodiovinao sy noraisinao
Ka lasa olom-baovao.
......
Ny famindram-po izay nomenao
Isaoranay anao ry Ray tsitoha
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : &Ayn'S feat Rappeur FhmVisites : 123
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Fandi
Date : 05/03/2026 16:21
