Ny takarivan' Ingahirainy (Arkazorama)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manokom-bary olona ny ao an-tanàna ka mangingina
Ny biby fiompy, ny gisa ny gana efa nampodiana
Tafavory ao an-trano daholo daholo ny fianakaviana
Fa ny hafa indrindra d'ilay Ikotobe eo amoron'ny afo
Arahiny maso ilay sotrobe fandoaran-tsakafo
Tilitiliany izay misy vilia mitafotafo
Indro ary ry lahy izy mianakavy miara-misakafo
Voaloatra avy ilay hena matavy tanaty maharitrafo
Amin'izay Rapiso te-hihinana ery ka mila safosafo
Mbola hivavaka isika, aza maika ianareo , andraso ny tantana
Hoy i Dadabe mangovingovi-peo sady misakana
Ny lelo milatsaka ditsoka setroka avy any amin'ny fatana
Kanjo sendra ny atambo raha mbola variana izy mianakavy ô
Notsehin-drapiso tambony vilia ny hena matavy ô
Nikotaba, nifamonjy ny eran'ny trano na lahy na vavy ô
Voadaka ny jiro,very ny ró, vaky ny takotra
Nirehitra ny bozaka ka saika may mbamin'ny firakotra
I Dadabe eo anjoro mamboatra pataloha niongotra bokotra
Rehefa lany ny vary r'ingahirainy mifoka sigara
Rafotsy efa vizana mitsaitsaika hamonjy farafara
Kinanjo voahitsany ka nikoraraika ilay akoho maramara
Rehefa avy eo ilay dadabe dia hanao tantara
Ny angano nolazainy dia Itrimobe, Ikoto sy Ifara
Ka faly ny ankizy , variana aok'izany fa tsara dia tsara
Hehy moa izany ny an'izy ireo ny trano mila ho vaky
Ilay dadabe manao baiko tànana handrora paraky
Kanjo kofona izy, voarorany i Bozy, mena toy ny jaky
Nampangininy ny ankizy ho faranana ny angano ho an'ny tantara
Feno anatranatra ho an'ny taranaka ho tsarafara
Nasainy nipetraka tsy misy hihetsika mba hihaino tsara
Ireo mpijorojoro amin'ny arabe mba moa fantatrao ?
Mirenireny foana tena kamolahy tsy manan-katao
Manao "za ty", nahazo diplaoman'ny mpivangabao
Ralay mpiasa kosa mivoaka maraina milanja harahara
Tsotra fitafy, mavitrika ery, vao nisakafo tsara
Miasa izy mantsy f'izany no adidy amin'i Gasikara
Mieritrereta ary isika rehetra ny lalan-kombana
Ny tarehy ratsy mitoetra sy ny endrika tsy azo ovàna
Fa ny fomba izay mendrika rehetra ry lahy no asio fanajana.
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 27/04/2023 08:43)
Misaotra fa nety
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Arkazorama
Vangy : 688
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : TianaLalao60
Daty : 27/04/2023 00:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723